Efa fomba fiadin’ny resy ny mila vaniny amin’ny resa-pifidianana tahaka izao.
Tena mizotra amin’ny karazana herisetra na ara-batana na ara-tsaina ny sasany, ary saika ahitana an’izany ny toerana maro manerana ny Nosy. Migafy rehefa tsy mahazaka adihevitra intsony ny atidoha, ary tsy manan-katao afa tsy manaratsy satria mety maivan-danja ny hevitra hoenti-mandresy lahatra ny vahoaka hifidy, ary maharesy lahatra ny maro ny an’ny mpifanandrina ka tsy maintsy haratsiana ilay kandida sy ny zavatra hataony. Efa hatao izao fomba rehetra izao handresen-dahatra ny olona, toy ny fizaram-bola nahanjahanjan’ny vondrona Eoropeanina, saingy toa tsy nifanalavitra firy ny vokatra ary mety ho iny ny tsara indrindra, ka mitady fomba hafahafa. Raha dinihina tamin’ny adihevitra nifanaovan’ny kandida roa tonta ny 9 desambra lasa teo rahateo, dia toa tsy voafehy ny ambara fa vina sy tetikasa haroso ho an’ny vahoaka, hany ka tsy maharesy lahatra ny maro. Tsy nambara intsony ireo fampanofinofisana natao tamin’ny fampielezan-kevitry ny fihodinana voalohany, tahaka ny hoe: hatao toa an’i Miami i Toamasina, hatao tahaka an’i Parisy Ambatondrazaka,… ary ireny niaraha-naheno ireny indray fa hanamboatra trano 50 000 ao anatin’ny 5 taona izany hoe:27 isan’andro eo. Ataon’ny olona fihomehezana ireny ary tsarain’ny vahoaka amin’ireny zavatra ambara ireny ny fampanantenana poakaty sy famahanan-dalitra ny Malagasy. Amin’ny fomba ahoana no hinoana hoe: tsy handray karama fa hanasoavana ny Malagasy, kanefa mamafy volabe hividianana safidim-bahoaka hahafahana mahazo fitondrana ? Ny adin’ny kanosa sisa atao satria efa mananontanona ny faharesena ka mandeha ny don-tandroka samihafa, ary efa nolazaina ho ren-tany ho ren-danitra rahateo ny hoe: isika efa zatra ady, ka na inon-kidona na inon-kitranga tsy maintsy ho azo ny fandresena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.