Any amin`ny HCC ny mason`ny maro, miandry ary mitaky ny fitsarana marina sy tsy mitanila ny amin`ny taratasy fitoriana napetrak`ireo depiote 73 izay mitsipaka ny fandaniana amboletra ny lalàm-pifidianana sy ny fangatahan`izy ireo ny fametraham-pialan`ny filohan`ny Repoblika.
Etsy an-daniny, efa manahy ny tsy hahafehy ny fitsarana intsony ny fitondrana HVM dia misy amin’izao fotoana miaramila mitetika hanambitamby ireo namany an-dakazerina indray. Hasaina hiteny sy hiaro ny filoham-pirenena izy ireo fa tokony hamita ny fotoam-piasany izy. Hatreto, tsy araka ilay fanambarana nataon`ny Foloalindahy ny 2 mey lasa teo izay manery ireo mpanao politika hikaroka vahaolana faran`izay haingana no mitranga ary manomboka efa miharihary fa tsy voafehy izy ireo. Porofo iray ny hetsika fizaram-bary tao amin`ny Lapan`ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny talata lasa teo. Maro ireo miaramila no tsy nanaraka baiko sy nitazam-potsiny ireo olona nisavoritaka tamin`ireo vary sy voamaina. Vokany, sahirana ireo mpikarakara ny hetsika nifehy ireo olona teny an-toerana. Ny tolona nezahan’ny depiote ho an`ny fanovana natao anefa dia ho fanomezana hasina ny Tafika ho andry fiarovana ny firenena sy ny andrim-panjakana. Efa arahan`ny mpitolona eny amin`ny kianjan`ny 13 mey maso akaiky ny fihetsiky ny fitondrana ankehitriny.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.