Politique

Foloalindahy sy polisim-pirenena Miatrana am-bava-basy


  • Alatsinainy 01 Jona 2015

Mampitandrina ny mpanao politika sy ny vahoaka ny minisitry ny fiarovana fa hampandry fahalemana ny tany. Raha ny tantara anefa no arahina dia ny foloalindahy hatrany no tena nanana andraikitra betsaka tamin’ny firodanan’ny fanjakana teto

 

 

Manoloana izao toe-draharaha politika mafampana eto amin’ny firenena izao dia nampitandrina ny jeneraly Rakotozafy Dominique, minisitry ny Fiarovam-pirenena ny tsy hisian’ny fifandranitana politika sy ny fanakorontanana eny an-dalambe fa hanao ny asany sy handray andraikitra, hono, ny mpitandro ny filaminana. Tsy ny mpanao politika nandrahona hidina an-dalambe sy ny efa nitondra olona nilanja sorabaventy ihany no nahazo ity fampitandremana ity fa ny vahoaka tsirairay ihany koa. Nandeha nivantana tamin’ny haino aman-jerim-pirenena rahateo moa ny fanambarana. Zavatra tsara ny fandraisan’ny Foloalindahy andraikitra satria efa ela no niandrasan’ny vahoaka izay mandry an-driran’antsy lava sy efa very fananana ary namoy aina mihitsy aza fa tsy hionona amin’ny fiarovana ny andrim-panjakana fotsiny.

Tsy atokisan’ny olona intsony

Fa ny mahagaga dia ity,  hadinon’ny tompon’andraikitry ny foloalindahy ary ve fa ny mpikambana  tao  aminy ihany hatrizay no tena tompon’andraikitra voalohany amin’izany  fanonganam-panjakana sy korontana politika teto amin’ny firenena izany ? Tamin’ny raharaha 2009,  ohatra, dia nandray anjara betsaka tamin’iny ny Foloalindahy, hany ka mbola maro ny olona tsy mahatoky ny foloalindahy ary mametra-panontaniana hoe : iza marina moa no tena arovan’ny tafika eto amintsika e ? Moa ve tsy io fidiran’ny miaramila amin’ny resaka politika io no nampikorontana antsika teo sy mampikorontana firenena maro aty Afrika ? Maro ihany koa no velom-panontaniana hoe:tsy nahita hevitra hafa mihitsy ve ny mpitondra fanjakana handaminana ity resaka ity fa dia tsy maintsy niditra an-tsehatra tahaka izao ny foloalindahy sy ny polisim-pirenena ?

Samy handray andraikitra

Adidin’ny foloalindahy mihitsy ny mitandro ny filaminana sy miaro ny andrim-panjakana saingy mila fitandremana be izy io fa tsy atao maimaika sy afangaro amina savorovoro politika. Noho iny fanambarana nataon’ny be baoty tamin’ny sabotsy lasa teo iny dia lasa mipoitra ny tombantombana arahan’ahiahy isan-karazany, tahaka ny hoe sao dia hisy indray atsy ho atsy mpanao politika lazaina fa nikononkonona fanonganam-panjakana dia hosamborina na lazaina fa niverina indray ny fametrahana baomba etsy sy eroa, mazava ho azy fa ho mailaka be handrava fihetsiketsehana na fidinana an-dalambe manomboka izao ny emmo reg. Ireo solombavambahoaka manohana ny fanonganana ny filoham-pirenena anefa efa nanatsidika fa mety hitarika vahoaka hidina an-dalambe ary tsy maintsy handray ny andraikitr’izy ireo na inona na inona fanapahan-kevitry ny HCC. Ahiana indray noho izany ny hisian’ny fifandonana sy ny fisamborana ato ho ato !


Andry Ratovo /RTT   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT