Namoaka fanambarana tetsy amin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena (MFA) tetsy Ampahibe omaly alakamisy 31 mey ny fianakaviamben’ny foloalindahy Malagasy notarihin’ny minisitra, Beni Xavier Rasolofonirina.
Ho fanamafisana ny fanambarana roa sosona efa nataonay, hoy izy ireo, ary manoloana ny fanapahan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana laharana faha 18-HCC/D3 ny 25 mey 2018 teo ary ho fikatsahana ny tombontsoan’ny vahoaka tsivakivolo no hanaovana izao fanambarana izao. Samy sarotiny amin’ny fitiavan-tanindrazana sy fikatsahana ny tombontsoa ambonin’ny firenena ka hampirisihana ny rehetra hanaja iny fanapahana iny. Tohizo ny fanatanterahana ny voalaza ao amin’ny andininy faha-14. Miantso izay tompon’antoka rehetra nahatonga izao toe-draharaha izao, araka ny fanazavana, ny foloalindahy mba handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny soatoavina sy ny lalàmpanorenana. Zava-doza ho an’ny firenena, hoy izy ireo, ny fandroritan’ny mpanao politika ny fandikana iny fanapahana iny ary hanome vahana ny fahavalom-pirenena ka mampirisika ny mpanao politika hanatanteraka izay voalaza. Raha sanatria anefa tsy tanteraka izany dia hijoro amin’ny maha aro riaka farany azy ny foloalindahy fa tsy hamela ny firenena ho latsaka an-katerena sy atao ankivy. Nohamafisin’ny minisitra moa fa mbola manaja ny rafitra sivily sy ny rafitra demokratika izy ireo ary raha ny mikasika izay fijoroana izay dia mazava ny andininy faha-61 ao amin’ny lalàmpanorenana sy ny andininy faha-11 voalazan’ny lalàna 91 – 011. Raha fintinina ny voarakitra ao anatin’ity andininy voalaza farany ity dia manome alalana ny filoham-pirenena hampandre ny tafika amin’ny fisiana toe-javatra na toe-draharaha amin’ny tany mihotakotaka ka mampizotra ny mpitandro ny filaminana ho any amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny amin’ny fampiharana ny antsoina hoe lalàna miaramila na « Loi martiale ». Azo idirana sy tsy mivaona amin’ny lalàmpanorenana raha tojo ny antsoina hoe toe-draharaha maningana na « situation d’exception ».
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.