Mazava ny toromarika avy amin’ny mpanorina ny antoko Tiako I Madagasikara Marc Ravalomanana. Tsy fotoanan’ny fanilikilihana sy ny fifanomezan-tsiny intsony izao fa andron’ny fampihavanan’ny samy Malagasy.
Ilaina sy ampiharina ara-bakiteny ny fanambarana ny herin’ny mpikambana TIM rehetra talohan’ny fanonganam-panjakana nitranga tamin’ny taona 2009. Zava-dehibe sy laharam-pahamehana ny fanarenana ny fiainam-pirenena ankehitriny ary vonona ny hitondra ny anjara birikiny amin’izany ny TIM. Paikadin’ity antokon’ny filoha teo aloha ity amin’izao ankatoky ny fifidianana kaominaly izao ny mampivondrona ireo mpitolona rehetra nanohana ny ara-dalàna tao anatin’ny 6 taona. Efa mipetraka ny rafitra «coach» eny anivon’ny fokontany miainga avy amin’ny safidin’ireo mpikambana eny ifotony sy ny torolalana avy amin’ny rafitra tampony hampandaniana ireo kandida TIM amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina amin’ny 31 jolay 2015. Mandringa sahady anefa io rafitra io ho an’ireo fokoTIM sasantsasany ao Ambohimanarina. Hita taratra sahady mantsy ny tsy fitoviam-pijery sy fanavakavahana eo amin’ny samy mpitantana, araka ny tsiliantsofina.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.