Politique

Fizotry ny fifidianana Mpandrindra sy mpandamina ihany ny CENI


  • Alatsinainy 27 Aogositra 2018

Toy ny milaza an-kolaka avy hatrany ny filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana, Yves Herinirina Rakotomanana, ny sabotsy teo tetsy

 


 Nanisana fa bitika ny fahefan’ny CENI raha ny momba ny tontolom-pifidianana no resahana amin’izao 1 volana mahery tsy hanombohan’ny fampielezan-kevitra izao. Mpandrindra sy mpandamina ihany ny CENI fa raharahan’ny rehetra ny fifidianana. Voarainay avokoa ny fitarainana maro. Anisan’ny nahitana olana ny lafiny lisitra. Voalohany ny tokony hanarahan’ny olom-pirenena tsirairay maso ny anarany izay mifandraika amin’ny antsoina hoe “Traitement alpha numérique de la liste électorale.” Faharoa dia tsara marihina fa tsy azo nokitihina intsony ny lisitra nanomboka ny 15 mey teo. Ny olona maty taorian’io daty io, noho izany, dia misy ao anaty lisitra. Tsy ao anatiny kosa izay feno 18 taona taorian’io daty io. Ny lalàna manan-kery no mandidy anay hanao izany, hoy izy. Na izany aza, efa nanaparitaka mialoha ny lisitra tamin’ireo fokontany miisa 19.000 latsaka manerana ny nosy ny CENI, raha ny fanazavana hatrany.


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT