MARC RAVALOMANANA: Teny Faravohitra no nanatanteraka ny adidy maha-olompirenena azy ny kandida Marc Ravalomanana mianakavy.
Nilahatra toy ny olon-drehetra izy raha niditra ny biraompifidianana laharana faha-2 ao amin'ny Lycée Jules Ferry. Mbola nanentana ny mpiray tanindrazana rehetra ny tenany tamin’izany mba tsy hisalasala hanatanteraka izany adidy masina amin'ny Firenena izany. Tena fifaliana lehibe ho ahy ny nanatanteraka ny adidy ho an’ny firenena satria iarahatsika mahalala sy mahita tsara fa kihon-dalana lehibe ho an’ny firenentsika ity, ka dia faly aho, hoy izy. Ny fahitako azy nizotra tsara ary aleo raisina amin’ny endriny miabo (positif) mba tena hantenaintsika satria miandry daholo ny olona rehetra. Elaela izy izay tsy nanao fifidianana tahaka izao, dia tsy azo tonga dia haratsiana foana, ka maniry ny rehetra aho mba samy handray ny andraikitra, hoy ny nambarany.
ANDRY RAJOELINA: Andro lehibe eo amin’ny tantaran’ny firenena izao, hoy I Andry Rajoelina nandritra ny fandatsaham-bato nataony teny amin’ny Biraom-pifidianana teny amin’ny EPP Ambatobe. Andro iray nanehoan’ny olom-pirenena izay feno taona ny adidiny amin’ny maha olom-pirenena azy. Mba hahafahan’izy ireo misafidy ihany koa, ka mahatoky ny fahendren’ny Malagasy aho, satria andro iny nahafahana naneho ny safidy izay olona heverintsika hitantana ny firenana, hoy izy.
HERY RAJAONARIMAMPIANINA: Ny fahitako azy dia mizotra araka ny tokony ho izy ny fifidianana, hoy ny Kandida Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fandatsaham-bato nataony teny Tsimbazaza. Misy ihany ny pitsopitsony tokony harenina fa ny fahitako azy dia nizotra tsara, ary tena an-kafaliana no nahazahoako nanao ny adidiko amin’ny maha olom-pirenena ahy, ka nandatsa-bato, hoy izy. Azo heverina fa niverina tany amin’ny vahoaka ny fahefana, ka dia naneho izany izy ireo, raha ny nambaran-dRajaonarimampianina. Niantso fitoniana ihany koa izy ho an’ny andron’ny omaly satria ilaina izany ho an’ny fampandrosoana ny firenentsika, hoy hatrany I Hery Rajaonarimampianina.
DIDIER RATSIRAKA: Tokony nalamina ny zava-drehetra dia ny lisi-pifidianana, ny lalàm-pifidianana, ny lalàmpanorenana,… fa tsy teren’ny vahiny fotsiny isika dia tsy maintsy mifidy, hoy ny Amiraly Didier Ratsiraka izay nandatsa-bato teny Faravohitra. Raha ohatra misy tsy manaiky dia tsy hifankahitana eo indray korontana. Ankasitrahako daholo izay vokatra eo, raha tsy hoe hita zavatra tena maizina, raha ny fanambarany. Raha ohatra mitombina izay noteneninay, hoy izy. Nahoana no 10 000 000 ny mpifidy nefa 13 000 000 ny bileta natonta? Fitantanana an-tsoratra (PV) 25 000 raha be indrindra dia ampy kanefa 200 000 no natonta. Hatao inona izany? Tsy mandry ny eritreritra. Tsisy hanaovana fitoriana satria makany amin’ny HCC ianao dia tsy anjaranay no valiny, ary torak’izany ihany koa ny any amin’ny Filankevi-panjakana, hoy ny amiraly Didier Ratsiraka.
FANIRISOA ERNAIVO: Amin’ny maha-olompirenena ahy dia tonga nanao adidy amin’ny fandatsaham-bato aho satria izany no adidy fototra eo amin’ny raharaham-pirenena, hoy ny kandida Fanirisoa Ernaivo teny Mahalavolona. Porofo ihany koa izao fa tsy manohitra ny fifidianana velively aho fa nitaky ny hisian’ny lalao madio. Hitantsika tsara angamba izao fa mihamaro ireo fitarainana miainga eny anivon’ny vahoaka noho tsy fahatomombanana tamin’ny fikarakarana ny fifidianana. Eto nefa aho dia miantso fitoniana satria betsaka no ho diso fanantenana amin’io fifidianana io, na izany aza dia tsy hanaiky lembenana isika amin’ny fiarovana ny safidim-bahoaka ary vonona hiatrika izany hatramin’ny farany. Ndao hatrehina am-pilaminana ny ady amin’ny fampanajana ny tena safidim-bahoaka, hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.