Tombontsoa ambonin’ny firenena ny fialan-dRajaonaonarimampianina ka hisaorana ny solombavamhoakan’ny fanovana sy hanohanany azy ireo, hoy ny fikambanana Olona Hasin’ny Tany na ny OHT teny amin’ny Le Pavé Antaninarenina,
nisian’ny fiaraha-misakafo sy dinidinika nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly. Pitik’afo ihany ny resaka lalàm-pifidianana fa vokatry ny zava-misy eto amin’ny tany sy ny firenena no anton’ny tolona eny amin’ny 13 mey, ka ny fiziriziriany eo no vao mainka mampitombo ny krizy eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny OHT. Ny mpitondra efa nandatsa-dra dia tsy mendrika ny hitondra ny firenena sy ho Raiamandrenin’ny Malagasy intsony, ary efa tolon’ny vahoaka io. “Tsy tokony hampidirina sy hatao fiarovan-tena ny hoe efa nisy izany tany aloha. Afaka hanao izany koa ve ny aty aoriana?”, hoy ny Dr Hery Raharisaina. Tsy ilay tolom-bahoaka namonoany ny Malagasy irery ihany koa ny antony hanalan’ny vahoaka azy fa ny tsy fahatontosany ny andraikitra napetraka taminy nanomboka ny 25 janoary 2014, nianianany, hoy kosa i Emile Ratefinanahary. Tsy nitsangana mandrak’androany ny rafi-pitsarana « Haute Cours de Justice » na ny HCJ, izay herintaona aorian’ny fandraisan’ny filoha fahefana farahafatarany no hananganana azy, araka ny andininy faha 167 ao amin’ny lalàmpanorenana. Rehefa dinihina dia lojika ara-politika ny tsy nananganan’ny filoha ny HCJ hitsara na hanasazy azy amin’ny tsy mety ataony, ka tsy atao mahagaga raha tsy nahefa ny tena adidiny, fa tany amin’ny afera sy ny kolikoly no nampalaza azy noho ny tsy fisian’ny arofanina. Tsy vitany anefa izay dia azo esorina amin’ny asany izy, ary nitory ny amin’izay ny depiote 73, raha toa ka ny ¼ dia efa ampy raha ny lalàna. Ny tetika mety handravan’ny filoha ny antenimieram-pirenena, dia vao mety mainka hamatotra sy hanafaingana ny firodanany, indrindra fa efa mipetraka ny fitorian’ny depiote. Efa voasoritry ny lalàmpanorenana avokoa ny lalana mety hizorana fa tsy tokony hiroaroa saina amin’ny tetezamita lasa tetezamiitra isika. Tombontsoam-pirenena sy tombontsoa iombonana ny fialan’ny filoha, ary eo ny mety tsy hampitombina intsony ny resaka fifanarahana toy ny tamin’ny 1991 teny amin’ny Panorama hoe hapetraka ho filoham-boninahitra, ary mety tsy hanaiky izany ny eny an-kianja, hoy ny OHT. Tsy miandry tambiny amin’ny fanohanana ny hetsika afa tsy ny fialan’ny filoham-pirenena izy ireo. Manamafy kosa fa mila hapetraka ny arofanina ho an’izay filoha ho avy eo, hapetraka ny fototra, ka tsy hanao izay saim-patany, fa ho any amin’ny fanarenana tena izy tokoa.
Toky R sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.