Nampiaka-peo ny vondron’ny mpanohitra elatra mpivory eny Andrefan’Ambohijanahary amin’ny hevitra mipoitra hanasamatsamahana ny fitantanana an’Antananarivo Renivohitra. Tena kajikajy politika ity apetraky ny fitondram-panjakana ity aminay, hoy ny mpitondra tenin’izy ireo tafaresaka tamin’ny mpanao gazety, dia ny hampandaniana ny kandidŕny fotsiny ka tena hevi-dravina izany aminay
Tena tsy hanan-kasina manoatra ny ben’ny tanàna voafidim-bahoka any amin’ny Boriborintany enina akory izay hotendrena hitondra an’Antananarivo eo. Tsy hanan-kasina eo anoloan’ny vahoaka ny lehiben’ireo ben’ny tanàna enina nofidiany nivantana ireo. Nampitandrina ny mpitondra mihitsy moa ity vondron’ny mpanohitra tsy mbola manana ny filohany mazava ity fa mety hitarika vahoaka hidina an-dalambe hanohitra ny fanatanterahana ity hevitra sadasada ity amin’izy ireo. « Fampiraisana no ilaina fa tsy fampisaratsarahana indray », hoy ny namaranan’izy ireo ny teniny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.