Politique

Fizarazarana an’Antananarivo “Misy tombontsoa arovana”, hoy ny Minisitry ny Atitany


  • Alarobia 20 Aogositra 2014

Nanambara ny minisitry ny Atitany, Mahafaly Solonandrasana Olivier, fa misy tokoa ny tombontsoa arovana ny amin’ny fizarazarana an’Antananarivo ho enina. Nolazainy tamin’izany fa tsy resaka politika velively ny antony fa fanamorana ny fampandrosoana isaky ny Boriborintany. Samy manana ny tetibolany avy ny boriborintany ary tsy misy ny tombo sy hala. Anisan’ny olana mantsy, hoy izy ny resaka hetra eto Antananarivo ka vahaolana iray amin’izany ity fizarana ity.

Afaka miara-miasa ihany koa ny Kaominina tsirairay avy. Mahakasika ny filoha hitantana ny vondron’Antananarivo dia nilaza izy fa io no mandrindra sy mandamina ny fomba entina hampandeha ny asa mba hisian’ny fampandrosoana mitovy ho an’ny boriborintany tsirairay avy. Nanamafy ihany koa ny tenany fa tsy mbola very toky ny amin’ny hisian’ny fifidianana Ben’ny tanàna amin’ity taona ity saingy miankina amin’ny fahalanian’ilay volavolan-dalàna eny Tsimbazaza ny fizotry ny raharaha rehetra mahakasika izany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT