Politique

Fizarana ny tanŕnan’Antananarivo Mety ho amin’ny fampandrosoana raha tsy misy tetika politika


  • Talata 27 Janoary 2015

Mety ho amin’ny tena fampandrosoana ifotony ny fizarana an’Antananarivo ho enina raha tsy misy tetika politika, hoy ny fanazavan’ny manampahaizana iray momba ny fitsinjaram-pahefana sady mpahay lalŕna, Atoa Léon Andrianasolo. Raha ny hita hatramin’izay mantsy, hoy izy dia matetika

 

tsy fantatry ny avy eo anivon’ny mpitantana an’Antananarivo foibe ny olana misy eny amin’ny  boriborintany tsirairay. Rehefa misy ihany koa ny vola entina miasa dia avy hatrany dia mipaka any amin’ireo voakasika fa tsy mandalo any amin’ny fiadidiana ny tanàna foibe na (Grand mairie) izany. Haingana kokoa ny fomba fiasa amin’izay ary mety hisy ny fifaninanana masina eo amin’ireo samy kaominina madinika. Mifanohitra amin’izay anefa ny zava-misy raha misy  hevitra ambadika. Ny nisy hatramin’izay dia izay mpitondra eto amin’ny tanànan’Antananarivo no matetika mahavita zavatra goavana eto amin’ny firenena. Hirariana ihany koa, hoy ity manampahaizana ity, mba tsy hisy ny zanak’Ikalahafa eo amin’ireo mpitantana ka izay mpanohana na mpiray antoko amin’ny mpitondra ihany no mahazo ny avara-patana amin’ny fampandrosoana ny boriborintany misy azy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT