Nitsidika an段 Toamasina omaly ny vadin地y filoham-pirenena ao anatin地y asa sosialy izay ataony. Voalohany tamin段zany ny lyc馥 Jacques Rabemananjara izay nanolorany 鍍ables bancs� 40, bokim-pampianarana maherin地y 3.000
, ary kahie an’arivony misy ny famantaran’ny Hery Vaovaon’i Madagasikara. Nambaran-dRtoa Voahangy Rajaonarimampianona, fa ilaina amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny ankizy mahay sy manam-panahy. Taorian’izay dia nisy ny fanolorany fanafody ho an’ny hopitaly kely izay misahana ireo CSB II; ka ireo fanafody sy fitaovana ilaina andavanandro no natolotra, nisy ihany koa ny fanomezan-toky mba hanomezana fanamiana manokana ho an’ireo mpanentana ara-pahasalamana miisa 276 ao Toamasina. Ankoatr’izay dia nisy koa ny fitokanana ireo fantsakana rano fisotro madio miisa 55 ao Toamasina renivohitra, fiaraha-miasan’ny Protos sy ny jirama ary ny minisiteran’ny rano, izay nosantarina tao Ambohijafy P/elle 14/31. Namaranan-dRtoa Voahangy Rajaonarimampianona ny fitsidihany an’i Toamasina ny fitokanany ireo hopitaly fitsaboana eny ambanivohitra, ka anisan’ny nahazo izany ny tanànan’i Ambavarano Toamasina II, izay handraisana ireo marary rehetra afa-tsy ireo tena mila fandidiana sy olana goavana. Maro no mihevitra fa efa tena propagandy ho an’ny HVM tanteraka ity hetsika nataon’ny vadin’ny filoham-pirenena tany Toamasina omaly ity.
Légende:Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina nizara fanomezana tany Toamasina omaly
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.