Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly talata 25 septambra any New York Etazonia ny fivorian’ny Firenena Mikambana andiany faha-73, izay marihina fa voasolotena ao avokoa ireo firenena 193 mpikambana, ka filoham-panjakana ny 130 amin’ireo.
Nigadona tany New York ny tolakandron’ny alahady 24 septambra lasa teo kosa ny filoham-panjakana vonjimaika Rivo Rakotovao mivady sy ireo delegasionina miara-dalana aminy, hisolotena an’i Madagasikara. Nitsena sy nandray azy teo am-pahatongavana ny solontena maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny Firenena Mikambana Herisoa Razafitrimo, ny Masoivohon’i Madagasikara any Etazonia Eric Robson, ny minisitry ny raharaham-bahiny Dovo Eloi Maxime ary ny minisitry ny fahasalamana Rantomalala Harinirina Yoël. Ny fahaiza-mitantana manerana an’izao tontolo izao sy ny fandraisana andraikitra iraisana sy ifampizarana no lohahevitra hifotorana amin’ity fivoriana andiany faha-73 ity. Ny 24 septambra teo moa dia efa nisy ny fihaonana an-tampon’i Nelson Mandela ho an’ny fandriampahalemana, ka nivoitra tao fa ao anatin’ny 10 taona manaraka, dia hohamafisina sy hampitomboina avo roa heny ny ezaka hametrahana fandriampahalemana sy filaminana iraisam-pirenena, ny fampandrosoana sy ny zo maha olona. Anisan’ireo voaasa manokana tamin’ny fiaraha-misakafo niarahana tamin’ny filoha Amerikanina Donald Trump i Rivo Rakotovao mivady ny alahady teo. Izy no handray ny amboara “African Leadership” azon’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina noho ity farany efa tsy filoha intsony.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.