Volavolan-dalàna miisa 4 mahakasika manokana ny Fampindramam-bola an’i Madagasikara no nolanian`ireo ireo solombavambahoaka tetsy amin’ny Lapan’i Tsimbazaza omaly.
Ny volavolan-dalàna voalohany izay mitondra ny laharana faha 018/2018 tamin’ny 30 mey 2018 mahakasika ny “Banque de l’Afrique Australe pour le Commerce et le Développement” dia miompana amin`ny fanamorana misitraka ny tombontsoa rehetra ao amin’ny COMESA sy ao amin’ny Banky (TBD). Ny volavolan-dalàna laharana faha 022/2018 tamin’ny 01 jona 2018 indray dia mahakasika ny FORMAPROD izay mitodika amin`ny findramam-bola fanampiny ho fanatsarana ny famokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra ary fandrafetana ny paik’ady nasionaly iraisan’ny mpampiofana. Marihana fa tanora miisa 41 000 no hisitraka ity fiofanana ity eran’i Madagasikara ary faritra 13 no hisy ny ivontoeram-piofanana. Mitentina 5 680 000 dolara ny vola azo indramina ka 40 taona ny famerenana azy. Ny fahatelo kosa mitondra ny laharana faha 023/2018 tamin’ny 23 oktobra 2018 mahakasika ny findramam-bola ho fanatsarana hatrany ny fanomezana angovo ho an’ny Firenena Malagasy iray manontolo ka hitentina 8 tapitrisa Euros ny fampindramam-bola vatsian’ny gouvernemanta Belge izay haverina ao anatin’ny 30 taona ka ny 10 taona voalohany tsy andoavana zana-bola. Ny volavolan-dalàna faha-4 farany dia ny laharana 025/2018 tamin’ny 26 jolay 2018 izay natao ho fanamafisana ny fanaraha-maso, ny tan-tsoroka ho an’ireo antokon-draharaham-panjakana izany hoe ny tokony homena fanampiana. Eo ihany koa ny fanaraha-maso sy fanatsarana ny fitantanam-bolan’ny orinasan-draharaham-panjakana. Ny filohan’ny Antenimieram-pirenena mpisolo toerana, Atoa Harimampianina Andrianarivo, no nitarika ny fivoriana notronin’ny filoha lefitra Helson Brisson Erafa. Tonga nanatrika ny fivoriana azon’ny besinimaro natrehina ny minisitry ny fambolena sy ny fiompina, Atoa Randriarimanana Harison Edmond, ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitantanam-bolam-panjakana, Atoa Rajaobelina Falihery ary ireo teknisianina maro avy amin’ny minisitera roa tonta.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.