Banbangoana ny sezan`ireo depiote teny Tsimbazaza nandritra ny fivoriana ara-potoana faharoa omaly. 20 izy ireo no tonga nanatrika ny fanokafana ny andro voalohany.
Ao anatin`ny fanomanana fifidianana filoham-pirenena isika amin`izao fotoana ka mety variana amin`ny fampielezan-kevitra izy ireo. Atoa Hary Andrianarivo, filoha lefitry ny faritanin`i Fianarantsoa no nitarika ny fivoriana. Izy no notendren`ny filohan`ny antenimieram-pirenena, Jean Max Rakotomamonjy, kandidà amin`izao fifidianana filoham-pirenena izao. Nandritra ny lahateniny, nanipy teny momba ny fikarakarana fifidianana ity filoha mpisolo toerana ity, Kihon-dalana lehibe eo amin`ny sehatry ny demokrasia sy ny lafiny repoblikanina, izay sata ijoroan`ny firenena, no lalovan`ny firenena Malagasy, hoy izy. Antenaina kosa mba hizotra an-tsakany sy an-davany ny fiatrehana ny fifidianana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana. Nilaza izy fa aoka hanako amin`izay ny feon`ny vahoaka amin`ny alalan`ny fifidianana ka manentana hatrany mba hampanjaka ny fahendrena sy fahamatorana. Notsindriany fa aoka mba tsy handrava ny soatoavina sy ny fihavanana Malagasy ny fanehoan-kevitra sy fampirantiana tsangan-kevitra amin`izao fifidianana izao. Fotoana hanaporofoana amin`ny rehetra fa mahazaka ny tena demokrasia isika Malagasy. Manao antso avo amin`ireo mpifaninana ity filoha mpisolo toerana ity mba ho samy hitondra ny tenany ho raiamandrenin’ny Malagasy ka samy hitsinjo ny tombontsoan`ny firenena. Maro ny raharaha tsy maintsy hodinihana mandritra ity fivoriana ara-potoana faharoa ity izay tsiahivina ihany fa fivoriana farany hotronin`ny depiote, araka ny fetran`ny fotoam-piasany voarakitry ny lalàmpanorenana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.