Politique

Fivoriana tsy ara-potoana faharoan’ny Antenimieram-pirenena Tokana ny lahadinika


  • Talata 10 Febroary 2015

Lahadinika tokana ihany no hamaritra ny fivoriana tsy ara-potoana faharoan’ny Antenimieram-pirenena manomboka anio ka niantsoana an’ireo solombavambahoaka am-perinasa hivory eny Tsimbazaza.

 

 Tsy inona izany, hoy ny mpampiaka-teny jeneraly ny depiote Liahosoa Malement voafidy tany Ampanihy andrefana, fa ny fanoloran’ny praiministra Ravelonarivo Jean ety amin’ny Antenimieram-pirenena ny fandaharan’asa  ao anatin’ny PGE. Manana ny fomba fijeriny sy fomba fitondrany izany Politika Ankapoben’ny Fitondram-panjakana izany ity praiministra vaovao ity fa tsy voatery hitovy amin’ny fijerin’ny praiministra nosoloina tsy akory.  Raha vao vita ny fanolorana ataon’ny praiministra sy famaliana izay mety ho fanontaniana apetrak’ireo solombavambahoaka dia mifarana ny fotoam-pivoriana, hoy ity mpampakan-teny ankapobeny ity, fa tsy voatery haharitra 12 andro araka ny voalazan’ny lalàna tsy akory. Marihina fa anio tolakandro no fanokafana ofisialy ity fotoam-pivoriana tsy ara-potoana faharoan’ny Antenimieram-pirenena ity izay ho arahin’ny fivorian’ny birao maharitra sy ny fivorian’ireo filoha isan’isany mahazatra handrafetana ny fandaharam-potoana.

Ntsoavina Evariste

SARY : Ny depiote Liahosoa Malement

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT