Politique

Fivorian’ny COI Tsy voaresaka mihitsy ny « îles éparses »


  • Alakamisy 21 Mey 2015

Omaly no nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny andiany faha-30n’ny filankevitry ny minisitry ny vaomieran’ny ranomasimbe Indiana ary haharitra roa andro izany. Ireo izay nifandimby nandray

 

 fitenenana dia nampivoitra avokoa ny fampitambarana ny  herin’ireo nosy dimy mivondrona ato  anatin’ity vaomiera ity ho fanatsarana ny tontolo fihariana sy fanmpandriampahalemana ny tany. Lohahevitra telo no tena  nivoitra dia ny fanamorana  ny fivezivezena sy fampifandraisana ireo  nosy dimy amin’ny alalan’ny fitaterana ana habakabaka sy  an-dranomasina  ary ny  fanatsarana ny tontolon’ny  fitaovan-tserasera. Lohahevitra  iray faharoa ny  ezaka   hanaovana an’ i Madagasikara ho sompitra hamatsy  sakafo ireo  tany  manodidina ny  ranomasimbe Indiana ary ny  fahatelo dia ny  fanatsarana ny tontolon’ny fiarovana  ny fari-dranomasina Indiana  izay  andalovan’ny 25%-n’ireo  sambo  mivezivezy  mitatitra entana eran-tany. Samy nanasongadina ny tombontsoa  azo avy amin’izany  avokoa ireo izay nandray  fitenenana rehetra  hatramin’ny  solontenan’Atoa Laurent Fabius  minisitry ny raharaham-bahiny frantsay izay  tsy tonga fa  ny tena nandrasana  tamin’ny fitondram-panjakana malagasy kanefa  na ny Filoham-pirenena hery Rajaonarimampianina na ramatoa Atallah Béatrice, minisitry ny Raharaham-bahiny dia tsy mba nanisy resaka momba  ireo nosin’i  Madagasikara izay mbola eo ambany  fitantanan’ny Frantsay dia ny « îles éparses » izany.  Raha tsorina anefa dia tokony ho raharahan-tokantranon’ny vaomieran’ny ranomasimbe Indiana io raharaha io noho ireo nosy ireo ato anatin’ny  ranomasimbe Indiana ihany koa. Ny mpitondra malagasy ankehitriny  ve no  tsy mahasahy   mitondra ny  resaka an-databatra  boribory  sa ireo firenena mikambana  ao amin’ny vomieran’ny ranomasibe Indiana mihitsy no tsy te hiresaka  kanefa mba mahakasika ny tombotsoan’i  Madagasikara izy io ary misy solontena frantsay  ao anatin’ilay  filankevitry ny minisitra. Toy  ny  rantsan-tanana dimy hono  ireo  nosy dimy mivondrona ato amin’nt y vomieran’ny  ranomasimbe Idiana  araka ny fanadihadiana an-tsarin’ny unesco  izay nalefa tao amin’ny Calton omaly, samy hafa  saingy tsy afa-misaraka. Raha ny haben’ny  velaran-tany no jerena dia ilay rantsana lehibe indrindra iny izany no i Madagasikara. Misy   anarany izy iny  amin’ny Malagasy.


Andry Ratovo    

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT