Politique

Fivoriamben’ny ONU Hiaka-tsehatra i Hery Rajaonarimampianina anio


  • Alakamisy 01 Oktobra 2015

Taorian’ny fahatongavany tany New York omaly dia nihaona tamin’ireo mpikambana avy ao amin’ny solontena maharitr’i Madagasikara ao amin’ny Firenena Mikambana, niaraka tamin’ny mpikambana avy any amin’ny masoivohon’i Madagasikara any Canada, ny filoha Hery Rajaonarimampianina.

 


 

 Ny Ambasadaoro isany Zina Andrianarivelo sy Horace Constant no nitarika ireo mpiara-miasa aminy ireo avy. Noazavain’ny filoha  nandritra ny fihaonana ny fipetraky ny toe-draharaha politika, sosialy ary toekarena aty an-tanindrazana ankehitriny. Nomarihiny tamin’izany fa vita an-tsakany sy an-davany, ny fifidianana ben’ny tanàna, ka ilaina ny mametraka sy manamafy orina ny fitoniana sy ny fahamarinan-toerana politika mba hirosoana amin’ny fampanjariana fampandrosoana lalim-paka. Nihaona sy nifampidinika tamin’ny filohan’i Sénégal, Macky Sall, ihany koa ny ny filoha Malagasy, samy manana andraikitra lehibe eo anivon’ny fikambanan’ny Firenena miteny Frantsay, na ny « Organisation Internationale de la Francophonie » mantsy ny firenena roa tonta. Nandray ny fihaonana an-tampon’ny OIF i Sénégal tamin’ny taona 2014, ary miomana ny hampiantrano izany i Madagasikara amin’ny 2016. Nifanakalo traikefa ny roa tonta, ary nanome toky ny filohan’i Sénégal fa hanampy an’i Madagasikara hahatontosa soa aman-tsara ny fivoriambe faha-16-n’ny OIF. Anio alakamisy moa no hikabary manoloana ny fivoriamben’ny firenena mikambana ny filoha Hery Rajaonarimampianina.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT