Nifamory tetsy amin’ny tranompokonolona Analakely omaly zoma 11 mey ireo mpikambana anatina sendika maromaro toy ny sehatry ny fahasalamana sy ny fampianarana.
Fifampidinihana momba ny tokony hatao manoloana ny raharaham-pirenena moa no natao, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Nohazavaina tamin’ireo namaly ny antso mihitsy ny antony hanohanan’izy ireo ny depiote miisa 73 sy ny antony hitoloman’ireto sendika ireto. Nohazavaina koa ny atao hoe politika satria ny tsy fisiana finiavana politika no nahatonga izao. Ny hanova izany no hanohanana ny depioten’ny fanovana. Rehefa tafapetraka ny rafitra vaovao hitantana ny fifidianana dia mangataka governemanta tsy miandany izahay hitantana. Aoka ny isak’ireo minisitera mba hanendry izay olon-kendry ao aminy hitantana. Mbola betsaka ireo tokony hohatsaraina amin’ny tontolon’ny asam-panjakana ka rehefa tafapetraka koa ny filoham-pirenena vaovao vao tena hitolona izahay, hoy hatrany ny fanambarana. Nanamafy moa ny filohan’ny sendika nasionalin’ireo mpitsabo (Synamef), ny Dr Jules Andriamaholison fa ny tolom-bahoaka miaraka amin’ny sendika no mahomby kokoa ka tokony hanararaotra ny rehetra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.