Politique

Fivondronamben’ny fikambanana ho an’ny fanovana Miantso ny filoha telo tsy hamaly ny fanasan’ny CFM


  • Sabotsy 26 Mey 2018

Nivondrona anaty vovonana iray ireo fikambanana 40 isa manohana ny tolon’ny fanovana tanterahina eny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Nivoaka tamin’ny fahanginany izy ireo omaly ka nambarany fa tsy mahatoky ny fanelanelanana hataon’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy intsony izy ireo (CFM).

  Mpamono afo fotsiny ny hetsi-bahoaka ny CFM ho azy ireo fa tsy mitsinjo ny tombontsoam-bahoaka akory. Tsy mendrika ny hamaly ny antso hataon’izy ireo ireo filoham-pirenena telo efa nitondra teo aloha dia ny filoha Ratsiraka, Ravalomanana ary Andry Rajoelina. Raisinay ho mpamadika ny vahoaka, hoy izy ireo, izay mandeha mihaona amin’ny CFM mangingina any. Naborak’izy ireo ihany koa omaly fa tsy mahatoky ny CENI  intsony ny vahoaka Malagasy satria mbola rafitra mpomba ny HVM hatrany io rafitra iray io. Nomarihin’izy ireo moa fa manohana hatrany ny tolona tarihin’ireo solombavambahoaka 73 mianadahy ho amin’ny fanovana izy ireo,  mitaky tsy misy hatak’andro koa ny fialan-dRajao sy ny forongony sady miantso ny  fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana koa mba hamoaka ny valin’ny fitorian’ireo solombavambahoaka 73 mianadahy.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT