Politique

Fivondronamben’ny sendika Manome 48 ora ny fanjakana


  • Alakamisy 02 Jolay 2015

Mbola hitohy anio ny fihetsiketsehana ataon’ny sendika manoloana ny fitsarana Anosy. Omaly dia nanao fanambarana ny fiombonamben’ny sendika ka nandritra izany no nilazan’izy ireo fa tena marefo ny fiarovana ny zon’ny mpikatroka sendikaly, misy ny ramatahora sy ny fandroahana. Manome 48 ora ny fanjakana handray fepetra hentitra hamahana ny olan’ny Air Madagascar ity

 
fivondronamben’ny sendika ity. Ho henjana kokoa ny fitakiana aorian’izay raha tsy misy ny fivoaran’ny toe-draharaha. Ho an’ireo sendikalista dia voahosihosy ny lalàmpanorenana sy ny lalàna mifehy ny asa tamin’ny nisamborana sy nampiakarana teny amin’ny fitsarana ary nandroahana ireo mpiasan’ny kaompaniam-pitaterana Air Madagascar. Koa takian’izy ireo ny fanesorana ireo tompon’andraikitra tsy mahavaha olana ary koa ny fanafoanana ny fandroahana tsy misy hatakandro an’i Rado Rabarilala izay mpitarika sendikaly sy ireo 3 lahy mpiara-miasa aminy. Tsy misangisangy izahay fa tena hijoro, hoy ireto mpitarika sendikaly ireto ka aoka mba hieritreritra lalina tsara amin’ny fanapahan-kevitra horaisiny ny mpitondra fanjakana ao anatin’io 48 ora na 2 andro io.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT