Politique

Fivondronamben`ny antoko Tsy tokony ho filoha intsony Rajaonarimampianina


  • Sabotsy 19 Mey 2018

In-dimy nandalo krizy goavana ny firenena Malagasy tato anatin`ny 46 taona. Miara-miaiky kosa ny rehetra fa tsy mipetraka araka izay tokony ho izy ny rafitra sy ny fitantanana misy eto amin`ny firenena amin`izao fotoana.

Tsy misy intsony, hoy ny fivondronamben`ny antoko mijoro ho an`ny fanarenana ifotony na Grand rassemblement pour la refondation de Madagascar, ny tokony hipetrahan`Atoa Rajaonarimampianina amin`ny toerany amin`ny maha filoha azy. Raha nisy mpitondra tena nandiso fanantenana sy tsy nahavita ny asany dia ny mpitondra ankehitriny, hoy hatrany ity fivondronamben`ny antoko ity. Niaraha-nahalala fa tamin`ity fitondrana ity dia tsy nitsahatra mihitsy ny findramam-bola nataon`ny fitondrana kanefa toy izao ny zava-misy. Tsy misy ny fampandrosoana mipaka any amin`ny sosialin`ny mponina fa fahantram-bahoaka indray no niseho. “Marary hatrany ifotony ny firenena dia avela fotsiny any ve ?”, hoy i Tabera Randriamanantsoa, filohan`ny antoko CRN, hany ka rariny raha haneho hatrany ny marary azy ny vahoaka. Manentana ny rehetra izy ireo hiaraka hiasa amin`ny fanovana ifotony sy ny fanorenana miainga amin`ny tsangan-kevitra sy fototra vaovao. Nambaran’izy ireo fa tohanany ny tolona tarihin`ireo solombavambahoaka 73 mianadahy mitolona ho amin`ny fanovana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT