Na dia voatendry sy nahavita ny fifamindra-pahefana teny Mahazoarivo omaly aza ny praiminisitra vaovao, Christian Ntsay, dia maro ireo mpanao politika sy mpandinika politika mahita fa tsy misy fiovana mitaha amin’ny fomba fanao teo aloha ihany ny zava-misy.
Na ry zareo avy eo anivon’ny vondrona Mapar izay nanolotra ity praiminisitra ity aza dia hita ho manao fanehoan-kevitra diplaomatika ihany.
Justin Famindra, depiote Mapar : « Miarahaba ny Praiminisitra vaovao… Maniry ny tsy hiverenan’ireo minisitra teo aloha intsony izahay mba hisian’ny fiovana marina. Manamafy aho fa ny vondrona Mapar tokoa no nanolotra azy iny. Na izany aza, amin’ny politika tsy maintsy manana ny kajiny ny rehetra. Tsy misaraka ny Mapar sy TIM… Mivitrana ny fihavanana. Tokony hizotra any amin’ny filaminana isika. »
Henri Rakotomalala na Riribe, FEDEP : « Nampitony vahoaka izahay omaly (TTF : talata) satria tezitra zareo. Tsy mbola mipetraka tsara raha ny hita ny fifanarahana eo amin’ny TIM sy Mapar. Tsy hiala eo amin’ny 13 mey izahay fa nampanantenana hoe tsy maintsy miala Rajao. Ny depiote Tinoka Roberto vao avy nilaza hoe tsy ilaina ny baikon’ny fianakaviambe iraisampirenena, ny ampitson’iny milaza indray hoe tsy manaraka ny baikon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena isika. »
Raymond Ranjeva, mpamakafaka politika, mpahay lalàna : « Tsy avy any an-danitra ny vahaolana maharitra. Tokony hiaiky isika fa marary ny firenena. Isika rehetra dia samy tompon’antoka amin’ny fanasitranana ny firenena. Lalàna nolovana tamin’ny Romano – germanique na frantsay ny hoe vita ny fifidianana dia milamina ny firenena. Isika anefa amin’izao mila olom-pirenena mandeha mifidy fa tsy mandatsa-bato. Mila fanetren-tena ny tsirairay dieny izao ary manainga ny eny ifotony hahatsapany fa tsy mandeha ny fiainany ary izy ihany no vahaolana. »
Nanangona : J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.