Niteraka fimenomenomana sy fikorontanan-tsaina ho an’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra tato anatin’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra omaly ny famoahan’ny
minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fanambarana tampoka fa tsy mianatra ireo mpianatra voakasika omaly hariva. Tamin’ny 2 ora folakandro anefa vao nivoaka ny fanambarana noho ny fivoahan’ny voka-pifidianana filoham-pirenena teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ka tsy vitsy ireo nikorontana. Amin’ny ankapobeny mantsy dia efa saika manana ny fandaharam-potoanany avokoa ny ray aman-dreny rehetra. Ho an’ireo mpianatra sasany, ohatra, dia betsaka izy ireny no mijanona misakafo antoandro any am-pianarana ka ny hariva vao alaina. Niova tampoka anefa izany ka nanakorontana zavatra maro. Ho an’ny sekoly iray tetsy Amparibe manokana dia nanaovana fiantsoana mihitsy ny ray aman-drenin’ny mpianatra mba haka ny zanany omaly antoandro raha voatery notazonina tao an-tsekoly kosa ireo tsy nisy mpaka hatramin’ny omaly hariva fotoana tokony hiravany. Na izany aza anefa dia nanohy ny fianarany toy ny mahazatra daholo kosa ireo mpianatra tany amin’ny fari-piadidiam-pampianarana ivelan’ny renivohitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.