Politique

Fivoahana dosie maloto Hamotika kandida filoha maromaro


  • Zoma 05 Oktobra 2018

Lasa fomba fiady ny famoahana ny dosie maloton’ireo kandida filoham-pirenena, izay fahita any ampitan-dranomasina tahaka ny any Eoropa.

Voizina eto amintsika fa mahavoasazy ary mety hitarika hatramin’ny fanilihana ny fanaratsiana ny kandida mpifanandrina amin’ny tena, saingy tsy voafaritra mazava ny famaritana ny fanaratsiana sy ny sazy mifandraika amin’izay araka ny fahitan’ireo manampahefana miresaka azy io. Ny famoahana dosie maloto ve tafiditra ao anatiny ? Mety ho tondro iray hahafahan’ny olom-pirenena misaintsaina ny olona tokony hofidiany anefa ireny ary raha mila hananana fahalalana maro sy vaovao feno ny olom-pirenena mba tsy hifidifidy fahatany. Mila porofo mazava kosa ny famoahana azy ireny mba tsy hanasoketana olona be fahatany. Io resaka fivoahana dosie maloto io no nahapotika ny hoavy politikan’i DSK na Dominique Strauss Khan, tale jeneralin’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena na ny FMI (2007-2011), izay tsara toerana ho filoham-pirenena Frantsay tamin’ny fifidianana ny 2012, saingy simba nialoha ny fotoana tamin’ny 2011 noho ny afera fanararaotana ara-nofo voalaza fa natao tamina vehivavy Nizerianina Nafissatou Diallo tany New York. Anisan’ny nampihen-danja ny praiminisitra Frantsay teo aloha François Fillon tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany tany Frantsa ny ampamoaka momba ny resa-bola azon’ny vadiny Peneloppe Fillon nambara fa « attachée parlementaire », nandraisana vola 500 000Euros, kanefa tsy niasa akory … Eto amintsika, misy ny kandida manana dosie maloto maro, ary misy ny efa mivoaka tsikelikely. Malaza ohatra ny kandida iray voatory any Lafrantsa noho ny harena tsy mangarahara an-tapitrisany Euros, ny resaka “pérmis biométriques”, namitaham-bahoaka lasa resabe ankehitriny dia kandida filoha roa sahady no voatonontonona tamin’ny bizina sy ny tsenan’asa tamin’io. Mbola betsaka ny dosie maloto tombanana ho vaky bantsilana atsy ho atsy.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT