Fefiky ny fahantrana ny vahoaka malagasy ankehitriny, hoy Atoa Sazalahy Tsianihy avy any Toliara, ka mila olona vonona sy vanona ary tia tanindrazana hamoaka azy ao anatin’ny fijaliana sy fahasahiranana misy azy. Raha heverina, hoy izy, fa 85%-n’ny mpiompy sy mpamboly ka fefiky ny fahantrana avokoa ireo dia tahaka ny taxi-borosy vaky kodiarana efatra ny firenentsika, tsy afaka mihetsika intsony ankehitriny. Maizina ny ho avin’ny tanora nahavita fianarana sy manana diplaoma, tena jerem-potsiny. Variana mbola manao praopagandy sy manangana antoko ny mpitondra fanjakana.
Vokany, hoy ity MCT taloha ity, mahazo vahana ny kolikoly sy trafika isan-karazany, marisarisa ny fampandehanan-draharaham-panjakana. Misy ny fitokonana etsy sy eroa. Mitaky vatsim-pianarana hampakarina 100% ny eny amin’ny ambaratonga ambony. Mitaky hampiharana ny “grille indicière” ho fisondrotan-karama ny mpiasam-panjakana. Fehiny dia ambarako, hoy ny mpanao politika Sazalahy Tsianihy fa tsy mangarahara ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny praogramanasam-panjakana ka zary mandeha an’ila tahaka ny kiraron’i Beminahy ny fiainantsika, hoy ny fitenenana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.