Politique

Fivoahan’i Dada Andrasana amin’ity herinandro ity


  • Alarobia 10 Desambra 2014

Nanao fanangonan-tsonia koa Ambatondrazaka mikasika ny fampodiana an-tranony ny filoha Marc Ravalomanana, hoy Rtoa Brenda tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly. Mamofompofona hetsika ny any amin’ny Faritra, hoy izy, ka amin’ity herinandro ity no farany hiandrasany amin’ny famoahana an-dRavalomanana ary nohamafisin’ny Kestora III Guy Rivo Randrianarisoa hoe

: alakamisy farafahatarany satria tsy afaka miray tsikombakomba amin’ny mpitondra amin’ny zavatra tsy mety ataon’ny ankolafy Ravalomanana. Manamafy ny fahasorenany ny any amin’ny Faritra amin’ny tsy fisin’ny orana sy  fahatapahan-jiro, indrindra fa any Alaotra.  2 andro sisa dia tonga ny 12 desambra, hoy i Manoela. Tandremo ry mpitondra fa efa nisesy izay fahafatesan’ny mpanao politika tato ho ato izay. Aza mieritreritra zavatra hafa mihitsy ianareo mpitondra fa avereno ao an-trano ny filoha Ravalomanana dia ampy ho an’ny vahoaka izay, afaka miresaka tsara avy eo. Tao  Faravohitra no nangalanareo azy tamin’ny fomba hafahafa ka avereno ao am-pahendrena izy dia izy no mahita hoe mety amiko ato na tsia.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT