Mihozongozona ny sezan’ny Jeneraly Ravelonarivo Jean, praminisitra lehiben’ny governemanta. Nandritra ny fandaniana ny fandaharam-potoanan’ireo solombavambahoaka ho an’ny anio zoma dia
depiote niisa 87 no nanaiky ny hampidirana ny fandaniana ny fitsipaham-pitokisana ho anisan’ny lahadinika anio raha solombavambahoaka 27 no nitsipaka. Nandritra ny fivorian’ny filoham-baomiera omaly dia efa tsinjo fa ho lany io fitsipaham-pitokisana io na dia teo aza ny fiovan-kevitr’ireo solombavambahoaka dimy. Raha ny fanazavan’i Me Razafimanantsoa Hanitra solombavambahoaka avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara dia ny talata atoandro teo no efa voapetraka ny taratasy fitsipahan-pitokisana ny praiminisitra ity ka fantatra fa solombavambahoaka 114 no nanao sonia azy ity. Rehefa mbola mihazohazo tsy nahitam-bokany mazava izany ny dinika nifanaovana tamin’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina momba ny fampiharana ny « pacte de responsabilité » dia izao nipetraka izao avy hatrany ny fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra.
Ho an’ireo mpandinika ara-politika dia ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no nampiditra ny firenena amin’izao kizo izao amin’ny fitakiana ny fampiharana ny « pacte de responsabilité » izay mitaky ny fiaraha-miasan’ny efa mifandrafy ka any amin’ny praiminisitra no nianjera ny rihitra. Anio no hanaovana ny adihevitra sy ny latsa-bato araka ny voalazan’ny lalana velona raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany ka vato 101 no ilaina dia miala amin’ny toerany ny praiminisitra. Nafana moa ny adihevitra sy fanehoan-kevitra samihafa amin’ny maha-mety na tsia ny hampidirana ao anatin’ny fandaharam-potoana ity resaka fitsipaham-pitokisana ity nataon’ireo solombambahoaka maro teny Tsimbazaza ka nampalahelo ny zava-nisy , hoy ny sasany, fa mivoana amin’ny lahadinika fandaniana ny “ordre du Jour” efa nolanian’ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny Antenimiera sy ny “conférence des présidents” ny niseho.
Andy Ratovo
SARY : Lanin’ireo solombavambahoaka ihany ilay « ordre du jour » tamin’ny farany
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.