Politique

Fitsipaham-pitokisana Lakolosy fanairana ho an’ny mpitondra


  • Alatsinainy 06 Jolay 2015

Tsy midika ho faharesena akory ny vokatry ny fitsipaham-pitokisana tsy nahomby ny faran’ny herinandro lasa teo

 

. Azo adika ho fampieritreretana sy fampanenoana lakolosy ho an’ny mpitondra fanjakana izy iny, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara Razafimanantsoa Hanitra. Ny tsara ho fantatra dia matoa mitroatra sy miteny ny zavatra tsy mety ireo vondron’ny depiote maro an’isa vaovao dia tsy te ho mpiray tsikombakomba amin’ny fanitsahan-dalàna velona eto amin’ny tany sy ny fanjakana ary leo ihany koa amin’ny fanitsakitsahana ny zon’ny olom-pirenena na koa ny zo sendikaly toy ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny nefa tsy fahita manerantany. Marobe rahateo ireo trangan-javatra azo hanaporofoana fa tsy mahatanteraka ny asany ny mpikambana ao amin’ny fahefana mpanatanteraka ka nitsanganan’ireo depiote ao anatin’ny «Nouvelle Majorité Parlementaire».

Fandravana ny Antenimieram-pirenena

Efa niezaka nitady ny hisian’ny fitoniana sy ny fahamarinan-toeran’ny fitondram-panjakana ary ny fampandehanana ny raharaham-pirenena ireo solombavam-bahoakan’i Madagasikara, hoy ity filoha lefitry ny andrim-panjakana mpanao lalàna ity. Tsy manisy olana amin’ny fandravana ny Antenimieram-pirenena rahateo ny tenany raha izay no vahaolana hanafoanana ny kolikoly nampalaza ratsy ny tao Tsimbazaza hatramin’ny niasan’ireo depiote herintaona mahery izay. Tokony hatao ho ambony kosa anefa ny mahasoa ny vahoaka ary ilaina ampiasaina amin’ny fanovana sy fitondrana zava-baovao hoan’ny firenena ny vola fa tsy hozarazaraina amin’ny fiarovana tombontsoan’olom-bitsy ka hanapotehana ny tanindrazana.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT