Tsy tokony ho olana ny fanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy saingy olana ny tsy fisian’ny finiavana ara-politika, hoy ny mpahay lalàna Dokotera Razaranaina Nome.
Miainga amin’ny fandraisana sy ny fampiharana ny andraikitry ny fanjakana ihany ny fahatanterahan’izany. Miteraka fampandrosoana haingana ny fahazakan-tena ara-pitantanana ary ampy ny lalàna mifehy izany, hoy izy. Manoloana ny vina IEM kosa dia nanambara ny tenany fa antoky ny fahatanterahan’io fitsinjaram-pahefana tena izy io ny ezaka amin’ny fampitoviana tanteraka ny faritra. Ohatra ny fampitoviana lenta ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izay iraisan’ny faritra rehetra. Notsindrian’ity mpahay lalàna ity ihany koa ny tokony hijerena ny olana momba ny herinaratra izay tena ilaina ny fampitoviana ny tanjak’izany manerana ny faritra.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.