Politique

Fitsinjaram-pahefana Hisy kaominina vaovao 128


  • Alarobia 04 Febroary 2015

Nitombo 128 ireo kaominina misy eto Madagasikara taorian’ny fankatoavana ny lalàna laharana 2015-002 teny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny 19 janoary 2015 lasa teo. Kaominina tranainy tao anatin’ny distrika miisa 89 no niteraka ireo tanàna vaovao ireo.

 

 Maro ireo antony nahatonga ny famoronana ireo kaominina vaovao ireo. Voalohany ny isan’ny mponina miaraka amin’ny tanjaka ara-toekarena toy ireo harena ara-boajanahary azo trandrahana ao amin’ilay toerana. Faharoa ny elanelana lavitra na koa ny toetany ara-jeografikan’ireo tanàna vaovao mihoatra amin’ireo kaominina efa nisy teo aloha. Ny faritan’i Fianarantsoa misy faritra 5 no ahitana kaominina vaovao maro indrindra izay miisa 34. Ireo faritra 2 ao anatin’ny faritan’i Antsiranana kosa no vitsy indrindra ireo kaominina vaovao izay miisa 12. Tsara ihany ny mampahatsiahy ny fizarana ho kaominina boriboritany 6 ny tanànan’Antananarivo-Renivohitra araka ny sata manokana mifehy azy voalazan’ny lalàna laharana 2015-004 nankatoavin’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara ny 21 janoary 2015.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT