Fitsinjaram-pahefana marina ho amin’ny fampandrosoana ny kaominina marina ve no nanosika ny fitondrana HVM hanova ny sata manokana mifehy an’Antananarivo Renivohitra ?
Tsara dinihana ihany io fanontaniana io manoloana ny hazakazaka arahin-tosika amin’ny fampandaniana ity tolo-dalàna ity eny amin’ny antenimieram-pirenena amin’izao fotoana satria efa miala any indray ny don-tandroka ny amin’ny tsy maintsy hampandaniana ity tolo-dalàna ity. Misy anefa ny mbola velon’ahiahy hoe :mety tena hidona amin’ny rindrina indray ary hosokajian’ny HCC fa tsy manaja ny lalàmpanorenana izy ity satria omena fahefan’ny olom-boafidim-bahoaka ny olom-boatendry. Tena olom-boatendry mihitsy mantsy no azo hanasokajiana ireo adjoint au maire-délégué (izay voambolana efa hafahafa be ihany) eny amin’ireo boriborintany enina eto an-drenivohitra satria tsy fidian’ny vahoaka mivantana izy ireo, kanefa omena tetibola manokana ary tsy tena azon’ny ben’ny tanàna foibe fehezina. Tsy misy mandà ny fanatsarana ny rafitra na ny fomba fiasa mihitsy, saingy kosa diso miharihary be loatra fa tena misy ambadika politika hampifandrafy ny samy mpitantana eto Antananarivo ity tolo-dalàna vaovao ity e ! Rariny sy hitsiny raha miray feo ary tsy mankasitraka azy io ny depiote ankolafy Ravalomanana sy Mapar voafidy eto Antananarivo Renivohitra. Misisika hampandany azy ihany anefa ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny atitany koa dia ho hita eo indray ny ho tohin’ity raharaha ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.