Fanamby hapetrak’ireo tompon’andraikitra misahana ny fitsinjaram-pahefana eo amin’ny samy kaominina eo anivon’ny minisiteran’ny fitsinjaram-pahefana ny hahavitan’izany amin’ity volana febroary ity. Efa nisy mantsy ny lalŕna lany mikasika izany raha ny fanazavan’i Mahazoasy Roger,
tale misahana ny fitsinjaram-pahefana eo anivon’ny minisitera ka ny fampiharana azy sisa andrasana. Tena nahitana fiovana tokoa izy noho ny fisian’ilay sata vaovao mifehy ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Anisan’ny notsindriany manokana tamin’izany ny kaominin’Antananarivo Renivohitra sy Nosy be ary Sainte-Marie. Nambarany ihany moa fa efa betsaka ireo fikambanana sy mpiara-miombon’antoka no miandry io fitsinjaram-pahefana eo amin’ny samy kaominina amin’ny endriny vaovao io hahafahan’izy ireo miasa. Anisan’izany ny OPCI izay hivondronan’ireo kaominina maro ankoatra ireo mpamatsy vola toy ny vondrona Eorpeanina, ny USAID…
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.