Politique

Fitsinjaram-pahefana Be loatra ny fahefan`ny mpanatanteraka


  • Zoma 23 Novambra 2018

Fandaharana iray nentina nampahafantarana ny fiaraha-miasan`ny Fondation Friedrich-Ebert-Stiftung (FES) sy ny parlemantera Malagasy ny namoahana tahirin-kevitra iray mahakasika ny tantaran`ny parlemantera Malagasy.

Anisan`ny namolavola azy io i Sahondra Rabenarivo, mpikambana eo anivon`ny SEFAFI. Noresahina ao ny momba ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona amin`ny fiaraha-miasa amin`ny filoham-panjakana sy ny governemanta, indrindra ny mpanatanteraka. Ao anatin`ny lalàmpanorenana dia manana fahefana be ny mpanatanteraka raha oharina amin`ny mpanao lalàna, hoy izy. Mivangongo loatra ny fahefana mpanatanteraka mihoatra ny fahefana ananan`ny parlemantera, antony tsy maha marin-toerana ny firenena. Mirona be loatra amn`ny asa soa any amin`ny distrika misy azy ireo parlemantera kanefa mandany ny lalàna no tena asany, hany ka tsy mirindra ny asam-panjakana. Tamin`ny lalàmpanorenana vaovao tamin`ny 2010 dia nomena lanja bebe kokoa ny Antenimieram-pirenena amin`ny fanendrena praiminisitra izay hanao ny asan`ny fitondrana kanefa tsy mety. Nisy ny hetsika nataon`ny Fondation Friedrich-Ebert-Stiftung (FES) notohanan’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny mahakasika ny fitsinjarana fahefana eto Madagasikara eo amin`ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna omaly tetsy Antaninarenina.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT