Nanao fangatahana an-tsoratra mba hitsidika sy hifampiresaka mivantana amin’ny filoha Marc Ravalomanana any amin’ilay toerana arahi-maso manokana nametrahan’ny fitondram-panjakana azy i Manandafy Rakotonirina, filoha nasionalin’ny antoko MFM sady filoha lefitry ny Internationale Libérale ary praiminisitra farany notendren’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny16 aprily 2009.
Tamin’ny datin’ny 3 novambra 2014 ny taratasy ary navantana amin’ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Voaray tao an-dapa ny 4 novambra 2014 tamin’ny folo ora sy dimy amby telopolo minitra tokoa ny taratasy. Raha nanontanian’ny Tia Tanindrazana ny tohin’io fangatahana io teo anivon’ny birao nasionalin’ny antoko dia namaly ny Sekretera jeneraly, Rakotovazaha Olivier omaly hariva tamin’ny fotoana nanoratanay, hoe : “Tsia, tsy nisy valiny fa mbola miandry”. Saropiaro amin’ny fanajana ny zon’olombelona, ny tany tan-dalàna ary ny fahalalahana politikan’ny olom-pirenena ny MFM, araka ny fampahatsiahivana natao tao amin’ilay taratasy fangatahana ary nanipika mazava fa filohan’ny ankolafy Ravalomanana izay vondrona parlemantera mpanohitra manana solombavambahoaka 21 eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, ity angatahan’izy ireo hihaonana ity
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.