Voapetraka omaly teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalŕm-panorenana na HCC ny fehin-kevitra mirakitra ny fiarovan-tenan’ny filoham-pirenena malagasy manoloana ny fitoriana napetraky ny Solombavambahoaka an-jatony mahery mitaky ny fmapiantoana ny Filoha amin’ny asany eny amin’ny HCC. Atoa Henry Rabary-Njaka,
talen’ny kabinetran’ny repoblika no nitarika ny delegasiona nahitana an-dRtoa Andriamarosata Sahondra sy Rakotomanga Josoa, mpisolovava ny filoham-pirenena. “Araka ny zo omen’ny lalàna anay dia tonga izahay hametraka ny taratasy fiarovan-tenanay manolona ny fitakiana ny fampiantoana ny filoham-pirenena amin’ny asany” hoy ny Maître Rakotomanga Josoa. Raha nandray ny antontan-taratasy kosa ny mpiraki-draharahan’ny HCC dia nampanantena fa tsy maintsy hamaly ity andrim-panjakana ity ;na dia nanantena fanambarana fohy moa ireo mpanao gazety niandry tety ivelany izay natahotra mafy ny trerona ataon’ny kolonely Roger Luc tompon’andraikitry ny filaminana ao amin’ny HCC dia tsy nisy izany fa tonga dia lasa ny delegasiona. Ao amin’ity andrim-panjakana iray ity koa moa tsy fantatra na misy tompon’andraikitry ny serasera na tsia fa izay mba mahalala olona sy manana namana ao ihany no mahazo sombim-baovao. Ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, ny Jeneraly Jean Ravelonarivo kosa nandritra ny fanokafana ny enim-bolan’ny ady amin’ny fampanambadiana ny ankizy teny Analakely tao amin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo renivohitra dia nanameloka an-kitsirano ny fanonganana ny iloham-pirenena ary nanambara fa izy sy ny governemanta izay tarihiny dia manohana tanteraka ny filoha.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.