Raim-pianakaviana iray 50 taona teo tratran'ny vadiny miaraka amina tovovavy matetika no niandohan’ny raharaha. Tsy nahatanty intsony ny tompom-bady ka nitso-drano hisara-belona. Noho ny tahotra eo amin'ny fizarana ny harem-be izay niaraha-nanangona nandritra ny taona maro anefa dia tsy nety rangahy fa na inona hidona na inona hihatra izaho tsy hisaraka, hoy izy
Nitana ny teniny Ramatoa ka nampiasa herisetra ny lahy. Notetehiny tsy nananany antra tamin’ny antsibe lava lela ramatoa ka maty tsy tra-drano. Ny 14 aogositra teo no nitrangan’ny tantara. Niezaka ny hamaly faty avy hatrany ny anadahin'i tompokovavy. Tonga aloha ny avy amin’ilay lehilahy efa namono ny vadiny koa dia voatetitetika ary maty teo no ho eo koa ilay tovolahy vao 25 taona monja. Nanomboka teo no niakatra ny haterezan’ny olona. Tao ireo nikarakara ny razan’izy mianadahy, ny vatan-dehilahy matanjaka nirongo fitaovana maranitra nanara-dia ireo nahavanon-doza, ary nisy ny niakatra an-drenivohitra hampandre ny mpitandro filaminana ka zandary 8 lahy no nanampy ny fokonolona. Telo andro taty aoriana, ny sabotsy 16 aogositra no voasambotry ny mpitandro filaminana ilay rangahy. Tao anatin’ny fanenjehana sy ny fifanjevoana dia voatifitra teo amin’ny tongony sy ny ambavafony ity lehilahy ity saingy tsy mbola maty ka nakarina tao an-tanàna. Tsy tana intsony ny fianakavian’ilay ramatoa ka nokapainy tamin’ny antsibe ny lohan'ity rangahy ary tena vaky roa nisaraka, nivoaka ny atidohany. Namela kamboty mianadahy kely 11 sy 8 taona izy mivady maty ireto. Mbola misavorovoro ny any Agnoviara Andapa SAVA amin'izao fotoana ary ahiana ny mety hisian’ny valifaty mahery vaika avy amin’ny fianakavian’ilay lehilahy. Mangataka ny fokonolona ny hisian’ny mpitandro filaminana any an-toerana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.