Nandeha ny feo fa tokony ho tontosa omaly ny fianianan’ireo mpitsara 11 mianadahy hikambana ao anatin’ny fitsarana avo na ny HCJ izay hany rafitra tokana afaka hitsara ireo filoham-pirenena.
Tsy izay anefa no zava-nitranga fa dia namoaka didy ny amin’ny tokony handravana ny governemanta ao anatin’ny 7 andro ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ary manainga ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, hanangana ny governemantan’ny marimaritra iraisana. Heverina fa mbola ho sarotra ny hahatomombana ny fitsanganan’ity HCJ ity satria tsy maintsy haharitra ny fotoana hametrahan’izy ireo ny fomba fiasany. Eo ny lafiny lalàna fehizoro tokony hamaritra izany. Ny fifidianana birao, ny fandrafetana rafitra isan-karazany, ny famaritana tetibola sy ny hafa koa. Dosie tokony hotsaraina voalohany ao anatiny kosa ny raharaha Marc Ravalomanana na ny 7 febroary sy ny raharaha Hery Rajaonarimampianina izay miompana amin’ny resaka fampitsaharana ny filoha na « decheance » sy ny tsy nananganan’ity farany ny HCJ ara-potoana. Ireo raharaha ireo no nisy nametraka fitoriana hatreto. Mampahatsiahy ny nahazo ny filohan’ny FMI teo aloha, Dominique Strauss-Khan (DSK) sy ny filoha frantsay teo aloha Nicolas Sarkozy ny fipoitran’ireto raharaha ireto satria raha tsiahivina dia niainga tamina resaka fanolanana izay novinaniana ho fandrika ihany no nahazo an’i DSK tamin’ny fotoan’androny no niitatra tany amin’ny fifongarana dosie hafa. Ny an’i Nicolas Sarkozy kosa dia nandrasana ho tafala filoha mihitsy izy vao nifongatra ny dosie. Raha ny zava-nitranga omaly anefa dia hita fa nampiseho sary ho nalaina ny hitsara ny filoham-pirenena ny fitsarana malagasy ka mety ho antony tsy nahatafatsangana ny HCJ.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.