Politique

Fitoriana eny amin’ny HCC “Misy fetrany ihany”, hoy i Emile Ratefinanahary


  • Alarobia 21 Novambra 2018

Sesilany ireo fanambarana maneho ny tsy fahatomombanana tamin’ny fiatrehana ny fihodinana voalohany.

 

 Tototry ny fitarainana ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana.  Ilaina ny fanehoan-kevitra sy fihainoana ny hafa, indrindra ireo mametraka fitoriana eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) amin’ny tsy fanekena ny tsy fahatommbanana ny fihodinana voalohany teo. Ny lalàna no mametra fa tena zo eo am-pelatanan’izay mpifidy, indrindra ireo kandida mametraka fitarainana sy fitoriana momba ireo izay hitany fa misy tsy fahalavorariana ny fanatontosana fifidianana, hoy Emile Ratefinanahary, mpandrindra nasionalin’ny fikambanana Olon’ny Hasin’ny Tany (OHT) ary ara-dalàna izany. Nomarihany kosa fa misy fetrany ireny ka tsy tokony hanafoanana ny fifidianana. Noraisiny ohatra fa raha biraom-pifidianana maro am-polony no tsy lavorary dia moa ve ahafahana mandrava ireo biraom-pifidianana  nandeha ara-dalàna ? Nohamafisiny hatrany fa tsy atao andrana ny fifidianana. Mahakasika ny fihodinana faharoa, dia miandry ny famoahan’ny HCC ny voka-pifidianana ofisialy ny fikambanana OHT vao hilaza izay kandidà hotohanany, hoy htrany ny fanazavana.

 

Marigny A.  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT