Rehefa nolavin’ny teo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC etsy Ambohidahy ny fitoriana napetraky ny teo anivon’ny hetsi-bahoaka ho an’ny tena fanovana sy ny fanorenana ifotony ny talata teo dia napetrak’izy ireo tetsy amin’ny fitsarana etsy Anosy indray omaly.
Tafapetraka io raha ny fanazavana ary dia miandry izay ho vokany ireo mpanara-baovao. Raha tsiahivina ny voatoatin’ny fitoriana napetrak’ireto mpitarika ny hetsika etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey ireto dia miompana amin’ny fiavian’ny loharanom-bolan’ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina. Ansany ny trano fonenany miisa 2 eto Madagasikara mitentina 20 miliara ariary any, raha ny fanazavana voaray. Ankoatra izay, voalaza ho tsy mazava ihany koa ny mikasika ireo tranony any Dobay sy Maorisy ary Parisy. Manginy fotsiny ireo raharaha Andramena sy ny tariny, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.