Politique

Fitorian-dry Tabera Tsy mahefa hitsara ny fitsarana an-tampony


  • Alarobia 12 Septambra 2018

Nitondra ny valin’ny fitoriana nataon’i Tabera Randriamanantsoa ny eo anivon’ny filankevi-panjakana, tetsy amin’ny fitsarana an-tampony Anosy omaly.

 

 

Nambaran’io rantsam-pitsarana io fa tsy mahefa hitsara ny fitorian’i Tabera Randriamanantsoa sy Ralaiseheno Guy Maxime izy ireo. Nanomboka tamin’ny 9 ora maraina hatramin’ny iray ora tolakandro ny nandinihan’ireo mpitsara izany. Anisan’ny anton’ny fitorian’ireto mpanao politika sady kandidà ireto ny tokony hanafoanana ny didy fanaikana ny mpifidy handatsa-bato, ny 7 novambra izao. Nanambara moa ireo mpitsara avo fa tsy manam-pahefana hitsara ity fitoriana ity ny eo anivon’ny filankevi-panjakana, nametrahan’ny kandida Randriamanantsoa sy ny namany fitoriana. “Fanapahan-kevitra noraisin’ny governemanta ny fiantsoana ny mpifidy handatsa-bato. Tsy azo toriana ny didy avoakan’izy ireo”, hoy ihany ny HCC. Inona izany no antony nandrirarirana ireo mpitory nandritry ny iray volana ? Hita ho nifanilika baolina fotsiny anefa ny HCC sy ny filankevi-panjakana tao anatin’izay fotoana izay.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT