Politique

Fitoniana tour sy Soluma « Tahotra an-dRavalomanana ny fanenjehana an’i Mbola Rajaonah ! »


  • Talata 27 Novambra 2018

Niharan’ny fisavana faobe ny fonenan’ilay mpandraharaha Mbola Rajaonah izay lasa mpiara-miasa akaiky amin’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, omaly tontolo.

 

 

Nanoloana izany dia nanao fanambarana miaraka tetsy amin’ny toerana iray etsy Analakely ny avy eo anivon’ny fikambanana Fitoniana tour sy ny firaisankinan’ireo mpitarika eny amin’ny oniversite na Soluma. Mpanao asa soa sy mpanampy ny mpanao fanatanjahantena no fahitanay an’i Mbola Rajaonah hatramin’izay, hoy izy ireo. Ny mahagaga, maro ireo olo-malaza manana dosie maloto eto amin’ny firenena saingy navela amin’izao fotsiny. Rehefa ny mpandraharaha Mbola Joseph Rajaonah no mirona any amin’ny fanohanana ny kandida ho filoham-pirenena, Marc Ravalomanana, dia atao aminy izao antsojay rehetra izao. Andefasana IST sy antsoina any amin’ny Bianco ary niafara hatramin’ny fisavana trano (Perquisition). Noho izany dia manameloka sy manohitra amin’ny herinay manontolo izao izahay. Aminay dia midika tahotra an-dRavalomanana izao. Mankahery an’i Mbola Rajaonah izahay amin’izao manjo azy izao ary tompon’andraikitra feno amin’izay tohin’ny trangan-javatra hiseho eto amin’ny firenena ny olona ambadik’izao antsojay izao, hoy hatrany ireto tanora ireto.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT