Niteraka tsirim-panantenana kely ho an’ny vahoaka Malagasy ny fahalanian’ny filoham-pirenena sy ireo solombavambahoakan’i Madagasikara. Nandiso fanantenana avy hatrany anefa ny fihetsika nasehon’ireto andrim-panjakana roa ireto tamin’ny fanendrena ny praiminisitra ny taona 2014, hoy ny Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena.
Nanjaka teny amin’ny Antenimieram-pirenena ny famadihana palitao sy ny endrika kolikoly isan-karazany ho takalon’ny tombontsoa manokana
Tsy tafavoaka
Tsy mbola tafavoaka ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina raha araka ny fanazavan-dRalisoa Andriamandranto mpandrindra ny sehatra fanaraha-maso ny fiainam-pirenena omaly. Ny fifampiresahana tsy milamina, ny fandriampahalemana tsy voafehy…hoy hatrany ity mpitondra tenin’ny SEFAFI ity ankoatra ny tsy fampidirana ireo laharam-pahamehana tokony ho hita ao anatin’ny fiainam-bahoaka toy ny fifidianan’ny olom-pirenena mivantana ny sefom-pokontany fa tsy tendren’ny sefo distrika…Na izany aza anefa dia tokony hanana fanantenana foana ny vahoaka, hoy izy. Namoaka boky vaovao izy ireo omaly. “Misavorovoro fiantomboka ny Repoblika faha-IV”. Io no lohateny nampitondrainy io boky io izay nataony ho an’ny olom-pirenena rehetra. Zavatra fonosiny ny fanambarana nataon’ny SEFAFI tamin’ny taona 2014 mikasika ny fiainam-pirenena arahin’ny fanazavana ny zava-misy sy ireo karazana soso-kevitra maro samihafa.
Pati/Ramano F
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.