Politique

Fitondrana malagasy misambadidaka ankehitriny Hanahirana izay filoham-pirenena vaovao eo


  • Alakamisy 22 Novambra 2018

Firenena tan-dalàna sy fitondrana tsara tantana raha fehezina no tena tanjona napetrak’ireo mpitondra fanjakana rehetra teto Madagasikara sady fototr’ireo vina ankapoben’ireo kandida ho filoham-pirenena rehetra teo ihany koa.

 

 

 Firenena tan-dalàna izay midika fa natao hankato lalàmpanorenana avoakan’ny HCC. Eto Madagasikara, ny filoham-pirenena no mitarika, ny antenimieram-pirenena avy eo, ny antenimierandoholona ary izay vao ny governemanta sy ny rafitra hafa rehetra. Nisambadidaka ambony ambany ny andraikitr’ireo rafitra ireo raha ny zava-nisy tato ho ato no dinihina. Lasa nipetraka amina toerana avo dia avo ny HCC, hany ka voadingany ny andraikitry ny filoham-pirenena sy ny antenimieram-pirenena. Ny HCC, ohatra, no namoaka ny lalàm-pifidianana, nefa tokony ho ny antenimieram-pirenena. Izy koa no nandrava ny governemanta kanefa tokony ho andraikitry ny filoham-pirenena sy ny antenimieram-pirenena izany, raha ny fanazavan’ireo mpahay lalàna tamin’ireny fotoana ireny no jerena. Mbola ao anatin’ny vanim-potoam-pifidianana hatrany isika ankehitriny ary nametraka olana maro ny dingana rehetra nolalovana tao. Raha hanatontosa ny fianianany sy hanao ny fampanantenany izay filoha hitondra vaovao eo dia ahoana no fomba ahazoana antoka fa afaka hanatontosa ny vinany an-kalalahana izy ? Araka ny andininy faha-54 ao anatin’ny lalàmpanorenana dia izay manana parlemantera be indrindra no tokony hanendry ny praiminisitra. Amin’ny fomba ahoana no hahafahan’izay praiminisitra Mapar hanatontosa ny vinan’ny filoham-pirenena lany tamin’ny anaran’ny antoko TIM na ny mifanohitra amin’izay ? Sa ve hamoaka didy hitsivolana na « ordonnance » hanafoanana ny antenimieram-pirenena izay filoha ho lany eo ? Mbola ho sarotra ny raharaha.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT