Nivoaka ny 26 martsa teo ny «World Justice Project Open Government Index 2015». Fanadihadiana momba ny fandrefesana ny fangaraharam-pitantanan’ny fitondram-panjakana miainga avy amin’ny traikefa sy ny fomba fijerin’ny vahoaka.
Miisa 102 ireo firenena nanaovan’ny fikambanana WJP fitsirihana momba ny fivoaran’ny fanjakana tan-dalàna manerantany. Nifototra tamin’ny singa efatra ny fomba nanomezana naoty ny fangaraharam-pitantanan’ireo governemanta isam-pirenena ireo. Ny famoaham-dalàna sy ny fampitam-baovao avy amin’ny governemanta, ny zo mahalala vaovao, ny zo maneho fitakiana sy fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena ary ny fombafomba mitondra fanoheran-kevitra. Laharana faha-74 amin’ireo firenena 102 no misy an’i Madagasikara manerantany raha faha-9 amin’ireo firenena 18 aty amin’ny faritra afrikanina atsimon’i Sahara. Mampalaza ny fitondram-panjakana Malagasy ny famoahan-dalàna sy ireo vaovao mikasika ny eo anivon’ny governemanta. Lesoka ho an’ny manampahefana Malagasy kosa ny tsy fahaizany mifehy ny fombafomba hanatsarana ny fanoheran-kevitra.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.