Politique

Fitondrana HVM Tompondakan’ny Aferafera


  • Zoma 18 Septambra 2015

Mampiaiky volana ny maro ny afera sy ny bizina misy ao anatin’ity fitondrana amin’izao fotoana ity.

 

Ao ireo miteny fa betsaka kokoa noho ny tamin’ny fitondrana tetezamita ny afera ao anatin’izao fitondran’ny HVM izao. Ao ny famoahana tsotra izao ny volam-panjakana hampiasain’ny antoko, fiaraha-miasa amin’ireo mpandraharaha efa fantatra fa mpanao trafikana boaderozy, famarotana tany amin’ny vahiny … Fantatry ny rehetra tsara fa i Andry Rajoelina sy ilay mpandraharaha mpanefoefo Mamy Ravatomanga no nanampy ara-bola ny HVM tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2013. Nisy anefa ny tsy nifanarahana ka nisintaka tsy niara-niasa intsony ary tsy nety nanome vola i Andry Rajoelina sy ny ekipany. Gaga ny rehetra fa indro nahavita nanohana kandida ben’ny tanàna efa ho 1000 mahery manerana ny nosy ny HVM. Vola avy aiza no nampiasaina tamin’izany ? Volam-panjakana navoaka tao amin’ny tahirimbolam-panjakana ve sa volan’olona tsara sitrapo ? Dia inona no takalony avy eo ? Tsy honohono fa tena misy ny mpanao aferana boaderozy manohana ny kandidan’ny HVM, manaporofo izany ny raharaha Bekassy. Inona no tena antony nanoloana ny tale jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana, ary navoaka ihany ve ilay vola 40 miliara Ariary izay niteraka resabe teto volana vitsy mialoha ny fifidianana ben’ny tanàna ? Vola avy aiza daholo ireo mifamezivezy eny Tsimbazaza ka mahabotrabotra ireo depiote ? Mbola resaka hafa ny nanomezana ny Frantsay ny fitantanana ireo seranam-piaramanidina eto Madagasikara sy ny nisisihana hividy fiaramanidina ATR. Re fa misy ny mpitondra fanjakana ambony mahazo tombony amin’ireny. Ampahany fotsiny ireo fa ny azo hamehezana azy dia fanjakan’ny aferafera sy manampahefana mamba noana no misy eto ka tsy atokisan’ny mpiara-miasa sy ny mpamatsy vola ary tsy azo antenaina hikarakara ny vahoaka fa izay hahafeno ny paosiny sy hahamafy orina ny fahefany no masaka ao an-dohany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT