Politique

Fitondrana HVM Ory fatratra ara-tserasera


  • Alatsinainy 07 Mey 2018

Efa niaraha-nahita hatrany am-piandohana ny tsy fahatomombanana ara-tserasera eo anivon’ny fitondrana HVM. Nahatarafana izany daholo nanomboka tany amin’ny kabary dika mitovin’ny filoham-pirenena fony nosalorana samboady,

ny rediredy mikasika ny vahaolan’ny delestazy anaty 3 volana, nandalo tamin’ny fisolantsolanan’ny minisitry ny raharaham-bahiny Henry Rabary Njaka, namoaka datim-pifidianana tany an-tanin’olona tsy nisy nahafantatra afa-tsy izy irery ka hatraty amin’ny fitokanana tsangambaton’ny fahalalahana tany Toamasina ny 3 mey teo. Feno diso tsipelina ilay takela-bato kanefa ny minisitry ny serasera, Harry Laurent Rahajason mihitsy no tokony ho tompon’andraikitra voalohany niahy ny fahatomombanany. Nosoloina ihany moa ilay izy taty aoriana. Heverina fa mbola io fahoriana ara-tserasera io hatrany no mampitarazoka ny fifanatonana hamahana ny krizy amin’izao fotoana izao satria dia hita ho mamokatra savorovoro anatiny eo anivon’ny antokon’ny fitondrana ihany koa ny tsy fananana olon’ny fifanakalozana azo itokisana. Ny minisitry ny fanabeazam-pirenena, Paul Rabary, izay sady mpahay fiarahamonina malaza ho tsy dia azoazon’ireo mpikambana intsony fa efa miomana ho kandida filoham-pirenena. Ilay minisitry ny raharaham-bahiny voalaza teo sy ny filohan’ny antenimierandoholona, Rivo Rakotovao ary ny praiminisitra, Solonandrasana Olivier, moa io miha ratsy endrika andro aman’alina amin’ny vahoaka sy ny sehatra iraisam-pirenena io. Ary ny minisitry ny tontolo iainana, Ndahimananjara Johannita sy ny minisitry ny mponina, Onitiana Realy ? Ny hany azo atao hoe mbola madio endrika indrindra angamba dia ny minisitry ny toekarena, Herilanto Raveloharison. Saingy ity farany anefa dia hita ary efa nanazava hatrany fa teknisianina fa tsy mpanao politika. Mampahatsiahy ny voalazan’ny mpisolovava Olala izay hoe “Sady ratsy tarehy no ratsy toetra.” Ny zava-misy ankehitriny miha mametraka ny fitondrana amina toerana marefo hatrany ary efa tsy heno intsony ireo be rahom-bava sy zatra mampiasa vola.


J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT