Nametraka ny prefen’ny polisy fa ho hentitra manomboka eto ny fanaraha-maso ireo sefom-pokontany ary ampiharina ilay 100 andro ka izay tsy mahafa-po dia tsaratsara aminy ny miala fa tsy vitany izany ny andraikiny.
Fampanantenana
Misy ny tanjona apetraka ary mikaroka ny fomba hanatrarana izany ny tompon’andraikitra sy ireo mpiara-miasa aminy. Tahaka izay raha fintinina ity hetsika 100 andro ity. Fomba fiasa hahavitan-javatra marina ve izy io sa fihetsiketsehana fotsiny ihany hambaboana ny fon’ny olona sy ny mpamatsy vola ? Misimisy ihany mantsy ny fampanantenana, izany hoe fandaharanasa nambaran’ny filoha Rajaonarimampianina sy ny fitondrana HVM tarihany. Teo, ohatra, ny fanafoanana ny delestazy ao anatin’ny telo ka hatramin’ny enim-bolana, ny fampidirana an-tsekoly ny zaza malagasy rehetra, ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena. Nilaza ihany koa ny filoham-pirenena fa izy dia raiamandrenin’ny Malagasy rehetra ka izy tenany no hitarika ny fampihavanam-pirenena. Izy ihany koa no mbola nilokaloka fa hitety izao tontolo izao hitady vola. Tsy maintsy mahazo vola isika satria talentako ny mitady vola, hoy izy. Tsy misy tanteraka ireo matoa mimenomenona sy tezitra ny olona, delestazy 3 ora isan’andro ny eto Antananarivo raha mahatratra 10 ora ny any amin’ny faritra sasany, manjaka ny jiolahy sy ny dahalo, mitohy ny fanondranana boaderozy sy volamena ary sokatra, mihitsoka ny fampihavanam-pienena, mihena ny faripahaizan’ny mpianatra malagasy ary lasa lamaody ny hala-tahaka, ny « fraude » ary ny fisandohana any amin’ny fanadinam-panjakana.
Miala rehefa tsy mahavita
Tena azo adika ho famitaham-bahoaka tsotra izao no nataon’i Hery Rajaonarimampianina sy ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara satria toa propagandy sy kabary mba hahazoana fahefana fotsiny no natao. Rehefa tonga eo anefa tsy mahavita azy akory. Ka rehefa tsy mahavita ary ve izany ny filoham-pirenena sy ny governemanta dia tsy tokony hametra-pialana ihany koa ? Sa ireo sefom-pokontany ihany no ampitahorina sy hampihorohoroana satria madinika izy ireo ? 100 andro no fe-potoana omena azy ireo hanaporofoany fa mahavita ny asa nomena azy sy tokony hataony izy ireo. Efa herintaona sy fito volana na 577 andro amin’ity anio ity anefa no nitondra ny firenena ny HVM ary efa hitam-poko hitam-pirenena fa tsy mahavita azy !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.