Politique

Fitondrana HVM Main’ny afo natsangany


  • Alakamisy 31 Mey 2018

Arakaraka ny nikasan’ny fitondrana HVM hanao lazon’ady amin’ny alalan’ny fampandroritana ny tolona izay efa miha tsy voafehy intsony no vao mainka miha mampitombo ireo minisitera mampikatso ny raharaham-panjakana.

Mitombo andro aman’alina ny fahaseporan’ny fitondran-dRajaonarimampianina satria mazava ankehitriny fa na ny hanao fitaovana ny fitsarana azy efa sarotra ho azy. Raha ny feo nandeha aza dia efa tadim-pitana sisa no nitazona ny filoham-pirenena tsy hianjera amin’ny toerany nialoha ny nivoahan’ny fanapahan-kevitry ny HCC ny 25 mey teo. Ny 4 tamin’ireo mpitsara 9 mianadahy no nandrenesana tsiliam-baovao fa hany nanaiky ny mbola ijanonan’ny  filoham-pirenena amin’ny toerany. Heverina ho fitombonan’io ny fahelan’ny fivoahan’ny fanapahan-kevitra satria tsy maintsy nisy adihevitra be tao nahatongavana tamin’iny fanapahan-kevitra politika iny. Omaly hariva moa dia mbola nametraka fangatahana teo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana indray ny filoham-pirenena. Hangataka fanalavam-potoana indray ve kanefa ireo minisitera sy sampandraharaha maro efa mifaninana manidy trano hikatsoan’ny raharaham-pirenena ? Main’ny afo natsangany.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT