Mizotra ny famotorana manodidina ny raharaha Jean Marc Koumba. Hisy vavolombelona hafa hohenoina any Antsirabe. Hiakatra fitsarana tsy ho ela ny raharaha. Fanamarihana nentin’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitsarana, Andriamiseza Charles io, manoloana ny resaka mifamahofaho manodidina ity raharaha ity
Mazava izany izao ny resaka ! Mitady ny hirika rehetra handetehana azy sy ireo mpiasan’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) Antsirabe efa-dahy ny fitondrana, ampangaina ho nitsikomba tamin’ny fidiran’ny fiaramanidina nitondra ny filoha Marc Ravalomanana tao Antsirabe ny 12 oktobra 2014. Efapolo andro mahery any am-ponja izao ity teratany alemana, mpiambina taloha ny filoha Ravalomanana ity. In-droa nangataka fahafahana vonjimaika ho azy ny fianakaviany saingy nolavin’ny Fitsarana hatrany. Etsy an-kilan’izay, ny fitsarana mangina manoloana ireo dahalo niova fo. Tsy mbola nisy filazana fa hanokafana famotorana ny vono olona, doro trano, fanolanana, halatra vitan’izy ireo, fa mangatsiatsiaka fotsiny. Vao mainka aza notolorana fanampiana ary hodiovina ny taratasin’izy ireo. F’angaha ekena indray ny fisian’ny tsimatimanota nefa tany tan-dalàna no hirahiraina ? Inona koa no mbola iresahana fampihavanam-pirenena lava izao raha ny kibay an-kelika ihany ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.